VELORANON'NY MPITSABO


(nadikan'ny Akademia Malagasy)


Amin’ny maha-mpikambana ahy eo amin’ny sehatry ny asa fitsaboana

Dia manaiky an-tsitrapo eto ampahibemaso aho fa hanokana ny fiainako ho an’ny mpiara-belona amiko.

Hataoko ho vaindohan-draharaha ny hahatonga ny marary tsaboiko ho salama sy finaritra.

Hajaiko ny fahaleovan-tena sy ny hasin’ny Marary tsaboiko.

Hataoko ho toy ny anakandriamaso ny fanajana feno ny ain’olombelona.

Tsy havelako ho sakana tsy hahatontosa ny adidiko amin’ny marary tsaboiko ny taonany, ny aretiny na ny kilemany, ny finoany, ny fiaviany, ny maha-lahy na maha-vavy azy, ny fireneny, ny antoko politika misy azy, ny volon-kodiny, ny firehany amin’ny filana ara-nofo, ny sarangam-piaraha-monina misy azy , na zavatra hafa ankoatra izany

Hajaiko ny tsiambaratelo naboraka tamiko na aorian’ny fahafatesan’ny marary notsaboiko aza.

Hataoko am-pihainoana ny feon’ny fieritreretana sy amim-pahamendrehana ny asako, araka ny fenitra takin’ny asa fitsaboana

Hitozo hanaja sy hanome lanja ny soatoavina nifandovàna teo amin’ny asa fitsaboana aho.

Haneho fanajana sy fankasitrahana izay mendrika ho an’ireo mpampianatra ahy, ireo mpiara-miasa amiko ary ireo mpianatro aho.

Hizara ny fahalalana ananako momba ny fitsaboana amin’ny hafa aho, ho tombontsoan’ny marary sy ho fampivoarana ny fomba fikajiana ny fahasalamana.

Hitandrina ny tenako ho salama tsara sy ho finaritra aho ary hampitombo hatrany ny fahalalako mba hahazoana manome fitsaboana avolenta.

Tsy hampiasaiko hanitsakitsahana ny zo mahaolona sy ny fahalalahan’ny olom-pirenena ny fahaizana ananako amin’ny fitsaboana na dia terena aza aho.

Mianiana am-pahibemaso sy an-kalalahana aho fa hotanterahiko ireo fanomezan-toky ataoko ireo.